Roland Ratsiraka tao Antsirabe

> Maro ireo naratra voatora-bato


  • Talata 24 Septambra 2013


Saika itrangana savorovoro hatrany ny fiafaran’ny hetsika rehetra nandritra ny «Pré-campagne» tao Antsirabe. Nitranga izany taorian’ny fandalovan’ny kandidà Camille Vital, nitohy kely taorian’ny fandalovan’ny kandidà Dr Jean Louis Robinson ary dia henjana ny tora-bato taorian’ny fandalovan’i Roland Ratsiraka. Samy tao amin’ny kianjan’i Tsarasaotra avokoa no nisian’ny famoriam-bahoaka sy nanaovana fanazavan-kevitra. Rakotra bozaka ny kianjan’i Tsarasaotra kanefa dia ohatry ny mivatsy vato ireo andian’olona manakorontana, ary mitoratoraka. Vokany, betsaka no voa mafy, indrindra taorian’ny fandalovan’i Roland Ratsiraka satria nisy nipotsaka voamaso mihitsy raha ny tatitr’ireo nanatri-maso. Eo no mipetraka ny fanotaniana hoe misy olona karamaina hanakorontana sa misy tiana hahatongavana amin’izao tranga izao, tsy tao Antsirabe ihany fa tao Fianarantsoa ihany koa ?

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT