Nanohy ny tsikera mivaivay fanaony ny depiote Roland Ratsiraka omaly ka naneho, fa fomba fanodinkodinam-pankalana mazava be ny fanafody sy tambavy CVO fa tsy resaka famahana ny olana ara-pahasalamana,
hoy izy manoloana ny fanapahan-kevitra hizara CVO. Tsy mahomby, na depiote aza nisotro an’io maty, tsy “normal” izany, heloka bevava izany amiko, hoy izy. Raha hoe nanao fanondranana, dia hatramin’izao tsy mbola nisy firenena nanao kaomandy, porofo fa tsy mahomby, raha ny nambarany. Fanodinkodinana volam-panjakana, volam-panjakana no hividianana ny CVO zarazaraina. Firy tapitrisa dolara ny vola lany tamin’ny CVO nanomboka tamin’ny valanaretina. Aiza ny nandehanan’ny 400 tapitrisa dolara? Hoy I Roland Ratsiraka. 1 tapitrisa dolara « bonbons sucettes », « subvention » ho an’ny fizahantany nalefa any amin’ny Air Madagascar,.. hoy izy. Nambrany fa vahaolana dia tsotra, manao fampiasam-bola amin’ny fameloman’aina any amin’ny hopitaly. Mila fitaovana toy ny oxygène, fanafody,… kanefa tsy ampy tany amin’izay nalehany. Mitaky fanokafana sisin-tany ihany koa I Roland Ratsiraka 200 tapitrisa dolara tsy niditra tao anaty kitapom-bolam-panjakana noho io, ny 30% dia tao Nosy Be, noho ny fikatonana. Nambaran’I Roland Ratsiraka fa ny “Aviation Civile” iraisam-pirenena dia miantso ny firenena rehetra tsy hanidy sisin-tany, fa tsy paikady tsy mahomby foana, fa ny fepetra sakana no apetraka ary entanina ny vaksiny satria tsy ampy ny vita vaksiny. Tsy manentana olona hanao vaksiny ny Fanjakana, ka mampalahelo fa mbola CVO ihany. Izy ary manao vaksiny antsokosoko, mbola tereny ny olona amin’io, ka tsy io no vahaolana fa fepetra sakana sy vaksiny, hoy I Roland Ratsiraka.
Avy any Avaratra ny Praiminisitra, kanefa tsy miteny momba an’I Nosy Be, Diego, Toamasina,… Fantatro ianao fa madio, maranin-tsaina, kanefa tsy miaro ny faritra misy anao, ka mametraha fialàna satria tsy maintsy arovana ny faritra rehetra fa tsy Antananarivo irery, hoy I Roland Ratsiraka manoloana ny fahitana fa tsy mandray andraikitra ny Praiminisitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.