Mikasika ilay orinasa Alliance export an’i Mamy Ravatomanga, hoy ny depiote Roland Ratsiraka, izay tsy mbola nanao lavanila na ny iraimbilanja dia tsy nahazo alalana nefa maninona androany mahazo alalana ?
Isan’izany koa ny orinasa Quality Mad sy ny Société Trade Mark’s, hoy izy. Io Trade Mark’s io koa mbola manana “licence de pêche” ary manao ampihimamba ny tontolon’ny jono. Tsy maintsy atao fantatry ny vahoaka Malagasy izany satria na voafidy tao Toamasina aza ny tena dia mahakasika antsika rehetra izany lavanila izany. Rehefa tsy mandeha ny toekarena, tsy mandeha ny lavanila dia tsy misy mandeha iny amin’ny sisiny rehetra iny. Tsy mandeha ny mpivarotra fitaovana ilaina andavanandro. Tsy mandeha ny mpivarotra mofo, ny mpivarotra labiera, na inona na inona. Tsy manam-bola ny olona. Tsy misy vola ny olona amin’izao isika miteny izao. Mivarotra 4x4 daholo ny mpanao lavanilina. 800 isa no olona noraisiko. Nomena fitenenana. Nihaino aho ary tsapako ilay fanaovana ampihimamba.
ATAON’I MAMY RAVATOMANGA AMPIHIMAMBA
Izaho manao litchi fa efa ataon’i Mamy Ravatomanga ampihimamba izao ny Litchi. Tsy mahazo mivarotra ianao raha tsy aminy. Tsy misy miteny isika fa mangiana daholo. 25 tapitrisa Euros no totalin’ny fanondranana litchi. Lavanila fotsiny no efa any amin’ny 700 tapitrisa Dolara. Fantantsika fa manao asa tsy madio ireo olona ireo. Na resaka andramena izany na inona dia aiza izany izy no mandio ilay vola? Tsy mitombona raha aty amin’ny lodsia satria vola kely no mandeha ao. Ny misy volabe toy ny volamena sy lavanilina no ahafahan’ny olona mandio vola. Izay no mahatonga an’io fanondranana volamena io. Notsiahivin’ny minisitra teo aloha, Paraina Augusta, ny lalana 97-046 ary noteneniko tamin’ny minisitry ny varotra sy ny minisitry ny atitany hoe mba fantatrareo ve io lalana manan-kery io? Ry zareo nefa aty aoriana mamoaka didy mifanipaka amin’io. Tsy ara-dalàna! Didim-panjakana na “décret” indray ve no ambonina lalàna na “loi”? Ny mpitondra antsika izany manaotao foana tsy mitsinjo ny hoavin’i Madagasikara fa mangoron-karena eo am-pitantanana no vahaolana. Nolazain’i Edgard Razafindravahy fa tsy azo ekena ny isana mpanondrana miisa 100 izany. Tsy vao maika tsara ve nefa raha 1000 amin’izay misy ny fifaninanana dia mitombo ny vidin’ny vokatra? Faritan’olon-tokana koa izao ny isan’ny mpividy. Efa nanoratra tamin’ireo mpividy moa aho hoe ampihimamba sy trafika no tadiavin’ireo atao dia efa mailo ny olona. Hatramin’ny mpanjifa itadiavan’i Ravatomanga sotasota. Misy mpanjifa iray izay tsy sahy mankaty Madagasikara intsony fa rahonany hanaovana didy fampisamborana, hoy hatrany i Roland Ratsiraka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.