Maromaro ny namaly ny antso ka naira-nidera sy nankalaza ny Tompo ny sabotsy 03 aogositra lasa teo teny amin’ny Coliseum Antsonjombe.
Feno hipoka tanteraka ity kianja ity. Lany avokoa ny tapakila natonta 4 alina isa ankoatra ny kristiana avy ao amin’ny fiangonana Fjkm Zoara fanantenana, mpikarakara ny hetsika “Rodorodom-pitoriana, rodorodom-piderana” mahatratra 1 alina mahery izay niditra tamin’ny vavahady teny ambany ka tsy notakiana tapakila. Tsy fampisehoana fe fampisehoana no natao tamin’io sabotsy io fa fiantsoana ny olona hiverina amin’Andriamanitra, hiaiky heloka ary handray an’i Jesoa Kritsy ho mpamonjy azy. Naseho fa natao ho an’ny olon-drehetra ny filazantsara satria novakiana tamin’ny fitenim-paritra samihafa ny sitrapon’Andriamanitra, torak’izany koa ny vavaka. Teratany Afrikana Tatsimo kosa no nizara ny hafatr’Andriamanitra. Nahitana ny maha iray ny kristiana na dia maro aza ny fotoana rehetra satria niara nanandratra vavaka fiderana, naira-niredona tamin’i Rija Rasolondraibe ireo hirany ny rehetra. Fanombohana ihany iny tamin’ny sabotsy iny fa isan’andro mandritra ity volana jona ity etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahatena Mahamasina dia misy ny fampianarana, fiofanana isan-karazany ho an’ny tanora, mpivady momba ny fiainam-pitiavana sy ny tokantrano, ny fitantanana izany hoe natao ho an’ny sokajin-taona rehetra .
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.