Actualités

Roa taona aty aoriana Misy fahasimbana sahady ireo fiaran’ny Covid 19


  • Talata 07 Jona 2022

2 taona lasa mahery kely izay no niteraka resabe ny fisian’ny soratra manao “Don Andry Rajoelina” tamin’ireo fiara natolotra hanampiana amin’ny ady atao amin’ny aretina Covid 19 teto Madagasikara.

Nisy moa tamin’izany fotoana izany ny fanazavana efa hatry ny ela ireny fiara ireny no fananan’ny filoham-pirenena manokana ary noho ny fahasahiranam-bahoaka manoloana ny valanaretina Coronavirus dia natolotry ny filoham-pirenena maimaim-poana tamin’ny fo madio ilay izy. Tsy ampy nividianana fiara fanampiny hanaovana vonjy taitra ve izany ny volabe efa nananika ny an-jatony tapitrisa Euro maro tamin’ireny fotoana ireny no dia ny fiara fananan’ny filoham-pirenena manokana no voatery natao sorona hoe hanavotana ny aim-bahoaka ? Mbola fanontaniana tsy mety voavaly mipetraka miaraka amin’izay koa ankehitriny ny hoe aiza marina ny mangaraharaha mikasika ny nampiasana ireny vola rehetra ireny? Miandry hatrany ny valin’izany rehetra izany ny mpanara-baovao hatramin’izao saingy etsy ankilan’izay anefa dia tsikaritra ho efa misy fahasimbana sahady ny sasany amin’ireto fiara fanomezana tamin’ny ady amin’ny Covid 19 ireto. Efa misy pempo ny varavarana ary misy kiaka ihany koa tao anatin’izay 2 taona mahery kely niasany izay. Misy ihany koa ireo tratry ny lozam-pifamoivoizana ka tena voa mafy tokoa na ny vatan’ny fiara na ny motera.
J. Mirija
Legende: Ity iray ity izao miantsona eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT