Tsy miova ny fomba ratsy fitantanana ny fahitalavitra sy onjam-peom-pirenena amin’ny alalan’ny fanompoana ny lehibe.
Nanjaka tokana nandritra ny vaovaon’ny TVM tamin’ny 8 ora alina ny sabotsy 21 jolay lasa teo ny minisitry ny serasera nitokana fitaovana “émétteur” vaovao an’ny TVM sy RNM ao Maevatanana Faritra Betsiboka. Raha ny fenitra amin’ny haino amanjery dia 1 minitra sy 30 segaondra ny faharetan’ny vaovao iray, mety ho azo itarina 2 minitra ihany raha tena vaovao lehibe. Ezahana fintinina ao anatin’izay fe-potoana izay ny tsara ho fantatra rehetra. Efa ho 10 minitra be izao anefa ny faharetan’ny vaovao momba ity fitokanana tany Maevatanana ity ary kabarin’ny Ministra no nibahan-toerana tamin’izany. Tsy vitan’izay fa mbola io vaovao io koa izay marihina fa tsy dia manan-danja loatra ho an’ny sarambamben’ny Malagasy akory ny votoatiny no nanokatra ny fampahalalam-baovao hariva.
Lasa ny saina eo anatrehan’izany, sao mba efa lasa fananan’ny minisitra samirery aza ny TVM sy RNM ? Mipetraka koa ny fanontaniana : ilay mpanao gazety ve no te haka ranondranony amin’Atoa Rahajason Harry Laurent na Rolly Mercia, anarana ahafantara azy amin’ny asan-gazety, ka nanao izay danin’ny kibony na dia mivaona amin’ny fenitra mifehy ny fampalalam-baovao aza ny zavatra nataony sa baiko no notanterahany ? Niasa tao Maevatanana mantsy ny Minisitry ny serasera taloha izay mpampita vaovao (correspondent) an’ny gazety Midi Madagasikara tao an-toerana nialoha ny niakarany teto an-drenivohitra ka sao misy tetika politika hambaboana ny mponina ao Maevatanana ao ambadika. Ho avy rahateo ny fifidianana. Dia aiza ho aiza ihany koa ny fandraisana andraikitry ny talen’ny famoahana ao amin’ny TVM ? Ny fisolelahana mpitondra tao amin’ny TVM sy RNM no efa nahasorena ny vahoaka Malagasy sasany ka nitarika tamin’ny fandoran’andian’olona azy ireo tamin’ny 26 janoary 2009. Mbola izay ihany anefa no endrika asehon’ireo fananam-panjakana ireo hatramin’izao mba tsy hilazana fa vao mainka ratsy noho ny teo aloha ny zava-misy ankehitriny.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.