Niandry vasoka ireo mpihaino ny Radio Nasionaly Malagasy na RNM niandry vaovao omaly atoandro.
Tsy nisy ny vaovao fandre rehefa amin’ny 12ora sy sasany. Raha ny filazan’ny mpiasa ao, dia nanana olana tamin’ny herinaratra ny RNM tamin’io fotoana io. Niaka-nidina ny tanjaky ny herinaratra tao an-toeram-piasana ary voalaza aza fa nanimba fitaovana. Tranga izay nahagaga ihany satria vao tsy ela no nanaovana lanonam-pitokanana sy fandraisana nanetriketrika ireo asa fanavaozana tao amin’ny ORTM misy ny RNM, nilazana fa manara-penitra sy manaraka ny fivoaran’ny teknôlôjia. Dia tsy mba nisy milina mpihary herinaratra fiandry ve afaka nampiasaina nanoloana izany, hoy ny maro, no haino aman-jery manana ny maha izy azy toy io no dia avela ho toy izany. Etsy ankilany dia manaitra ny mpandalo ihany koa ny fahitana tsenabe amin’izao fotoana izao eo amin’ny tany malalaka nisy ny RNM, izay may nisy nandoro tamin’ny 2009, nefa toerana saro-pady toy ny faritra mena io toerana io. Sa izay ilay hoe : miova andriana tokoa, miova sata !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.