RN7 - Ilaka-Centre

> Kamiao nitondra “kits-scolaires” nivadika


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2013


Nisehoana lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena fahafito ny marain’ny zoma 23 aogositra lasa teo. Kamiao iray mpitondra entana misy ny “kits-scolaires” avy amin’ny UNICEF niainga taty Antananarivo saika ho any Ambohimahasoa no nivadika tao Begoaika, Fokontany Soavina, Kaominina Ilaka-Centre tokony ho tamin’ny 6 ora maraina. Teo amin’ny PK 226+150 amin’ny fiolahan-dalana no nisehoan’ny loza vokatry ny fahavakisan’ny kodiarana aorian’ilay fiara, ny entana noentiny rahateo mavesatra satria misy boky sy fitaovam-pianarana maro. Olona telo no tao anatin’ity kamiao ity, tsy nisy naratra sy aina nafoy. Ny sabotsy 24 aogositra ihany dia tonga ny kamiao iray nanangona ireo fitaovana tao anatiny ka nitondra azy any Ambohimahasoa. Mila fitandremana ny mandeha amin’ny lalam-pirenena fahafito fa maromaro ihany ny lozam-pifamoivoizana miseho.

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT