Sendra ny andro tsy nanambina ireto mpanakana fiara mpitatitra satria tratran’ny vela-pandriky ny zandarimariam-pirenena ka dia nanaraka hatramin’ny aina.
Nisehoana asan-jiolahy ny lalam-pirenena faha-7 ny alin’ny talata 18 febroary 2014 lasa teo, tamin’ny 07 ora sasany hariva. Fiara mpitatitra mazda iray no voatora-bato ary efa nisy sakana vato ny lalana tao Andamaka, Kaominina Camp Robin, Distrikan’Ambohimahasoa. Mbola afa-nandositra ka nampandre avy hatrany ny zandary tao amin’ny Borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Camp-Robin sy Ambatofinandrahana ny mpamily. Nidina tany an-toerana haingana ny Zandary notarihin’ny “Commandant Compagnie” Fianarantsoa. Natao ny vela-pandrika satria mbola tao an-toerana ireo olon-dratsy ireo. Nivoaka avy any anaty ala ireo jiolahy nitsilo «lampe de poche» sady nitoraka ny fiara nandehanan’ireto mpitandro filaminana. Rehefa nahita izy ireo fa zandary dia vaky nandositra sady mbola nitifitra ihany koa. Natao ny fampijanonana tamin’ny tifi-danitra nefa tsy nilavo lefona ireto dahalo ka lavon’ny balan’ny zandary ny iray atao hoe Ndrianasolo raha mbola tafaporitsaka ilay nitondra basy. Tsy nisy naratra na namoy aina kosa ny mpandeha tamin’ilay fiara Mazda voatoraka ary tsy nisy zavatra voaroba.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.