RN7 - Ambalamanakana

> Nivadibadika ilay taksibrosy avy any Fort-dauphin nandratra olona 40


  • Talata 01 Oktobra 2013

Nandriaka indray ny ra tao Ambalamanakana, Distrikan’Ambositra tamin’ny lalam-pirenena faha-7 iny, omaly alatsinainy tamin’ny 5 ora maraina.

Fiara taksibrosy iray lehibe nanao lavalina avy any Tolagnaro saika hiakatra aty Antananarivo no nivadibadika tao amin’ny fiolahan-dalana mampidi-doza. Nitondra olona 65 mahery ity fiara ity, araka ny voalazan’ny mpandeha, naratra avokoa ny 40 tamin’ireo. Vokatry ny fahatapahan’ny tsindry hisatra, hoy ny mpamily ilay fiara no nahatonga ny loza. Ankoatra ireo olon-dehibe naratra dia maro ireo zaza amam-behivavy no nahitana ratra teny amin’ny vatany. Feno hipoka ireo marary ireo ny hopitalin’Ambositra amin’izao fotoana izao. Araka ny nambaran’ny mpitsabo dia tsy misy atahorana loatra hatramin’izao ny ain’izy ireo saingy nisy raim-pianakaviana iray voatery nalefa niakatra aty Antananarivo hotsaboina fa tsy vita tao Ambositra. Tsy manan-kavana hikarakara ireto maratra ireto satria mpandeha avy any Amboasary Atsimo, Ambovombe Androy ary Tolagnaro avokoa.

 

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT