RN4 Ankazobe

> Nisy minibus Mazda voaroba


  • Alakamisy 26 Septambra 2013


Fiara minibus Mazda iray nitondra fianakaviana avy any Mahajanga hiakatra aty an-drenivohitra no lasibatry ny mpanakan-dalana tao amin’ny tetezan’i Manankazo, 28km tsy hidirana an’Ankazobe raha avy any andrefana, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia manodidina ny tamin’ny 1ora maraina. Voaroba tamin’izany ny firavaka volamena sy ny volan’ireo tao anaty fiara. Efa-dahy ireo jiolahy ary mirongo basy. Taloha kelin’io dia nisy fiara sprinter iray nandeha irery avy any Ambondromamy hihazo an’Antananarivo efa saika lasibatra. Nanao tampody fohy avy hatrany anefa ny mpamily vao nahita vatan-kazo nitsivalana teo amin’ny arabe ary namonjy niverina tao Mahatsinjo, niandry fiara hafa hiara-dalana, ka nieren-doza. Niezaka niantso ny laharana 119 ny mpandeha tao, nampandre ny zandary amin’ny fisian’ireo mpanakan-dalana, nefa nifanilihan’ny tao Maevatanana sy Ankazobe ny raharaha, ka valalanina ny rehetra.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT