Actualités

RM1 Nampitandremana mba tsy hanongam-panjakana


  • Alarobia 09 Martsa 2011


Novoriana ny miaramila tamin’ny faramparan’ny herinandro teo dia nampitandremana mialoha mba tsy hiditra amin’ny raharaha izay ahiahiana ho misy mpitandro ny filaminana ao ambadiny amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny raharaha baomba sy ny filazana fa misy fikasana fanonganam-panjakana izay kononkononin’ny mpanao politika iray izay efa tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny tetezamita no niala. Raha ny fantatra mantsy dia efa mitady miaramila etsy sy eroa io farany amin’izao fotoana izao.

Heverina fa tsy io toby io ihany no nandray izany fepetra izany fa ireo toby rehetra izay misy eto an-drenivohitra. Heverina fa matahotra tanteraka ny tsirairay sao dia hiverina aminy ny fanonganam-panjakana izay nitranga tamin’ny 2009, izay fanaony ihany. Dia izay no nandraisany fepetra mialoha. Manarak’izany koa dia fantatra fa ahiahiana ny ao amin’ny toby Capsat amin’izao fotoana izao noho tsy fahafaliany tamin’ny fanesorana ny lehibe telo nifanesy avy ao. Raha tsy eny Tsiafahy mantsy dia nesorina tamin’ny fitondrana ireo olon’ny Capsat izay heverina fa nahery fo tamin’ny fanonganana an-dRavalomanana Marc.

 
r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT