Tafakatra avo 3 heny ny tahan’ireo olona tratry ny aretina sohika na « asthme » eto amintsika amin’izao. Vokatry ny fahalotoan’ny rivotra iainana no antony mahatonga izany hoy ny mpitsabo iray indrindra fa ny eto an-drenivohitra.
Anisan’ny ahitana taratra izany hoy hatrany izy ilay manjavozavo eny amin’ny lanitra ankoatra ny setroka fiara sy moto ary ny sigara izay mifangaro eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Mbola manampy trotraka izany ihany koa ny fako miparitaka eto an-drenivohitra izay mamoaka entona avy hatrany rehefa avy donafan’ny orana sy ny hafanana ka miteraka gripa mahery, kohoka, raha misy mihitsy ireo mivalana. Ireo ankizy madinika no fantatra fa tena mitondra faisana vokatr’izany, tonga manatona ireo tobim-pitsaboana tsy miankina. Tokony hitandrina araka izany ny tsirairay raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana. Ho azy ireo manokana dia ireo efa nahazoazo taona indray no tonga betsaka mitsabo tena ao aminy.
VAHAOLANA
Vahaolana arosony araka izany ny tokony hanatonana mpitsabo avy hatrany raha vantany vao tratran’ireo aretina ireo. Manoloana ilay rivotra maloto miparitaka dia vahaolana arosony ihany koa ny tokony hivoahana kely ny renivohitra rehefa faran’ny herinandro hifohana rivotra madio. Mivadika ho oxygène mamakivaky ny lalan-drà mantsy ny rivotra hoy izy rehefa madio ka miteraka fahasalamana sy fitoniana eny fa na dia ho an’ny saina aza.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.