Namela takaitra tamin’ny ilany andrefan’ny Nosy iny ny rivodoza «Hellen», araka ny tarehimarika voaray mantsy dia olona 3 no maty, 8 tsy hita popoka ary mahatratra 1 539 ireo niharam-boina, 1 204 kosa ireo tsy manan-kialofana.
Ny faritr’i Boeny no tena voa mafy tamin’ity indray mitoraka ity. Tao Mahajanga dia nampihoron-koditra ny mponina ny nahita ny ranomasina tonga hatreny an’arabe. Nahery vaika ny rivotra sy ny orana nentin’ity rivodoza ity ka noho izany indrindra dia tanimbary 5 515 ha sy tanimboly 114 ha no dibo-drano tanteraka, EPP iray no rava tanteraka, 2 niala tafo ary roa hafa nahitana fahasimbana. CSB 1 no simba, tranom-panjakana 4 no tsy misy tafo intsony. Omaly moa dia nitarika delegasiona avy amin’ny fitondram-panjakana ny praiminisitra Omer Beriziky nijery ifotony ny zava-nisy tany Mahajanga, nampahery ary nitondra fanampiana ho an’ireo niharam-boina ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.