Tombanana hivoaka an-dranomasina anio ilay rivodoza “Hellen” rehefa avy namakivaky ny Distrikan’i Mahajanga I, Mahajanga II, Soalala ary Mitsinjo.
Nihena ny heriny, na izany aza dia nandravarava tamin’ny toerana izay nolalovany izy. Tao Mahajanga fotsiny dia Fokontany dimy no dibo-drano, trano am-polony maro nopaohin’ny rivotra ny tafony. Nakorontan’ny rivotra ireo bolongam-bato miaro ny “Bord”. Telonjato eo ireo tsy manan-kialofana. Nikatona avokoa ny toeram-pivarotana sy ny sekoly rehetra tao Mahajanga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.