Actualités

Rivodoza Eloise tany Avaratra Olona roa tsy hita popoka


  • Alarobia 20 Janoary 2021

Omaly atoandro dia efa nisy fiantraikany be tany amin’ny faritra Avaratry ny Nosy ny rivodoza Eloise.

 

 

 

 Isan’izany ny fiakaran’ny rano. Fiara tsy mataho-dàlana iray no latsaka sy lasan’ny ranotrambo tao Antoboka, raha niala an’Antsiranana hiazo an’Andranovondronana ny atoandron’io 19 janoary 2021 io. Olona 4 no tao anatiny, ka avotra soamantsara ny roa, saingy naratra. Lasan’ny rano niaraka tamin’ny fiara tany kosa ny olona roa hafa. Avotra tamin'ny alalan'ny fitaovana nampiasain'ireo avy amin'ny orinasa mpamokatra sira ao Namakia ilay fiara tsy mataho-dàlana iray lasan'ny ranotrambo tao Antomboka izay nitondra olona efatra avy any Antsiranana hiazo an’Andranovondronana omaly 19 janoary 2021. Hatramin’ny omaly, mbola tsy hita ireo roalahy izay lasan’ny rano. Entanina araka izany ny rehetra mba ho mailo hatrany amin'ny loza mety ateraky ny fiakaran'ny rano amin'ireo faritra handalovan'ny rivodoza Eloise.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT