Actualités

Rivodoza Eloise Mahery vaika, ahiana ny tondra-drano lehibe


  • Alatsinainy 18 Janoary 2021

Tany amin’ny 1255 km atsinanana somary avaratra antsinanan’Antalaha no nisy

 

 

 

 

ny foiben’ilay rivodoza Eloise omaly 17 janoary tamin’ny 03 ora tolakandro teo ho eo. Mizotra miankandrefana somary Atsimo Andrefana ny diany ka mahafaka 17km/ora. Mahatratra 65km/ora ny rivotra entiny, izay arahina tafiotra 90km/ora, raha ny fanazavan’ny sampan-draharaha misahana ny famantarana ny mety ho toetry ny andro. Hanatona ny morontsiraka Afoavoany Antsinanan’ny Nosy izy ato anatin’ny 60 ora ho avy ka tombanana hiditra an-tanety amin’ny faritra Analanjirofo ny marainan’ny alarobia 20 janoary ho avy izao amin’ny tanjaka Forte Tempête Tropicale. Iangaviana ireto faritra sy distrika manaraka ireto mba hampihatra avy hatrany filazana fanairana na ny filazana Filazana Miloko Maitso: SAVA, analanjirofo, ToamasinaI-II, Brickaville, Vatmandry, Mahanoro, Bealalana, Befandriana Avaratra, Mandritsara, Alaotra ary Moramanga. Entanina ny mponina amin'ireo toerana ireo mba hanaraka ny fivoaran’ny toetry ny andro sy ny toromarika omen’ny manampahefana eny ifotony, hoy ny antso avon’ny Sampan-draharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Vokatry ny fanatonana sy ny ho fandalovan’i Eloise, dia ho betsaka ary hijojo tokoa ny amin’ny faritra maro any avaratr’i Madagasikara sy ireo toerana izay vinavinaina ny handalovany. Hioa-pampana ny rotsakorana ny 20 sy 21 janoary satria mety hihoatra ny 100 mm ao anatin’ny 24 ora. Mila mailo sy mitandrina ny amin’ny mety hisiana tondra-drano sy fiakaran’ny rano amin’ny endriny samihafa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT