Mikisaka haingana miakandrefana somary atsimo-andrefana i Eloise tao
anatin’ny 24 Ora farany, hoy ny tatitry ny Sampan-draharaha misahana ny mety ho toetry ny andro omaly tamin’ny 10 ora maraina. Tamin’ny 09 Ora marainan’io omaly io, dia tany amin’ny 720 km Antsinanana somary avaratra-atsinanan’Antalaha no nisy ny foibeny. Mahatratra 25 km/ora ny hafainganam-pandehany ary tsy niova ny heriny fa mitondra rivotra 65 km/Ora sy tafiotra 90 Km/Ora. Hanatona ny morontsiraka afoavoany-antsinanan’ny Nosy izy ato anatin’ny 40 Ora ho avy ka tombanana hiditra an-tanety amin’ny faritra Analanjirofo ny alin’ny talata anio 19 na ny marainan’ny Alarobia 20 Janoary ho avy izao amin’ny tanjaka “Forte Tempête Tropicale”, hoy ny fanazavana. Iangaviana ireto Faritra sy Distrika manaraka ireto mba hampihatra ny Filazana fanairana na ny filzana miloko maitso : SAVA, Analanjirofo, Toamasina I-II, Brickaville, Vatomandry, Mahanoro, Bealalana, Befandriana Avaratra, Mandritsara, Alaotra ary Moramanga. Vokatry ny ho fandalovan’ity rivodoza Eloise ity ny alin’ny Talata hatramin’ny Alakamisy izao, dia ho betsaka ny rotsak’orana amin’ny faritra avaratra, afovoany-atsinanana sy avaratra-andrefan’ny Nosy. Hifandimby kosa ny andro maina sy ny orana mahalana amin’ny faritra hafa.
Ankoatra io, tafiditra amin’ny fari-dranomasina Indiana omaly ilay rivodoza avy any amin’ny faritra Aostraliana JOSHUA. Tany amin’ny 09 Ora marain’ny omaly teo dia tany amin’ny maherin’ny 4 000 Km antsinanan’i Toamasina no nisy ny foibeny. 75 Km/Ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 105 Km/Ora. Mikisaka miakandrefana somary atsimo-andrefana izy ka mahavita 14 Km/ora. Mikorontana ny atmosfera ivoarany ka vinavinaina ho levona izy afaka 03 na 04 andro ho avy.’
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.