Niditra an-tanety tao Soanierana Ivongo omaly tamin’ny 03 ora tolakandro ny rivodoza DUMAKO. 75 km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 100 km/ora.
Mikisaka miakandrefana somary avaratra andrefana izy ka mahafaka 15 km/ora. Nitarika orana mikija indrindra fa ho an’ny faritra Analanjirofo ity rivodoza ity, ary somary matevina ihany ny rotsak’orana (>160 mm).Mbola hihitatra amin’ny ilany atsinanan’i Sofia sy Alaotra izany, rah any fannazavana avy amin’ny sampandrahaaha mpamanatra ny toetr’andro.Rehefa tafiditra an-tanety i DUMAKO dia somary nihena kely ny heriny omaly hariva; tamin’ny fibeny tao Soanierana Ivongo ohatra dia 65 km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 90 km/ora. Mbola mizotra miakandrefana ihany izy ka mahafaka 13 km/ora. Mihatra ho an’ny faritra Analanjirofo ny loza mitatao miloko mena ary loza manambana miloko mavo kosa i Andapa, Antalaha, Toamasina I-II, Bealanana, Befandriana avaratra, Mandritsara, Andilamena, Amparafaravola, Ambatondrazaka, Brickaville.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.