Omaly tamin’ny 04 ora tolakandro, dia tao amin’ny Distrikan’i Fenoarivo be no nisy ny foiben’ilay rivodoza Chalane.
Nihena ny rivotra miaraka aminy ka toerana vitsy sisa no mety mbola ho voakasiky ny tafiotra 40 hatramin’ny 50 Km/ora, hoy ny tatitra nivoaka tamin’io ora io. Mikisaka miankandrefana somary Atsimo Andrefana izy ka mahafaka 20 Km/ora. Na dia mbola mitoetra aza ny rotsak’orana betsaka amin’ny fandalovan’i Chalane avy any Antsinanana miankandrefana dia foana ny filazana fahamailoana (Manga) ho an’ireo distrika rehatra naharay izany. Betsaka ny toerana dibo-drano noho ny fandalovany, ary andrasana ny tatitra ofisialy amin’ny mety fahasimban-javatra samihafa naterany. Entanina ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka Antsinanana sy Andrefana mba tsy hiandriaka na hitandrina mafy satria mbola mikorontana ny toetry ny andro. Mitohy miazo miantsinanana mianatsimo ny lalany ka vinavinaina hivoaka any amin'ny distrikan'i Belo sur Tsiribihiana any an-dranomasina anio Alatsinainy.Entanina hatrany ny tsirairay mba hanaraka ny toro-marika omen’ny manampahefana eny ifotony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.