Actualités

Rivodoza “bois de rose” Zandary maromaro tany SAVA nesorina tamin’ny toerany ?


  • Alarobia 20 Jolay 2011

Nahery fitsoka teo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny rivodoza “bois de rose” taorian’ny niampangan’i Andry Rajoelina tao Brickaville ny zoma 15 jolay teo, ireo mpitandro ny filaminana sasany, miray tsikombakomba amin’ny mpanao trafikana andramena ka manamora ny fitaterana ny entana, ka nilazany fa handraisana fepetra hentitra.

 Fantatra izao fa dia zandary maromaro tao anatin’ny Vondrontobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena (Groupement) SAVA, teo ambany fibaikon’ny kolonely Zaramanana, avy amin’ny andiany faha-16, no nesorina tamin’ny toerany. Mipaka hatrany amin’ny kaompania sy borigady io mangoron’entana io. Ny fiandohan’ny herinandro teo no voalazan’ny loharanom-baovao fa nilatsaka ny teny mita (message) mikasika an’io. Andrasana, araka izany, izay hasolo ireo komandy isan’ambaratonga ireo, satria araka ny heno dia efa nisy ihany ireo saika notendrena saingy toa tsy mazoto. Ankoatra izay dia zandary maromaro no rakotra tao anatin’ny bemidina nataon’ny Task Force amin’ity resaka trafika “bois de rose” ity, ary dia niakatra fampanoavana tao Antalaha tao omaly. Voatana am-ponja vonjimaika ny valo tamin’izy ireo, miandry fotoam-pitsarana izay tsy mbola voafaritra hatreto.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT