Actualités

Rivodoza Basirai 1473 kmmiala ny nosy ny foibeny omaly


  • Talata 01 Febroary 2022

Miha manatona an’i Madagasikara hatrany ilay rivodoza Batsirai. Tany amin’ny 1 473 Km Antsinanana somary Avaratra Antsinanan’i Sainte Marie no nisy ny foibeny omaly 31 janoary

 tamin’ny 3ora tolakandro, araka ny fampitam-baovaon’ny Sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Nihena ny heriny ka 130 Kmora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 180 Kmh, raha toa ka mbola mbola 150 Kmora ny rivotra miaraka aminy izay narahina tafiotra 210 Kmh ho an’ny omaly tamin’ny 10 ora maraina. Mikisaka mianatsimo andrefana ny diany manomboka izao ka mahafaka 16 Kmora. Raha ny vina lavitra ezaka (amin’ny tapany faharoa amin’ny ny herinandro), dia hanambana ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ity rivodoza ity ka ahiana hiditra an-tanety eo anelanelan’ny Sainte Marie sy Manakara, hoy ny tombatomban’ny mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Mba ho fiomanana mialoha dia iangaviana ireto Distrika sy faritra manaraka ireto mba hampihatra sahady ny fepetra mikasika ny filazana fanairana miloko maitso Antalaha, Analanjirofo, Toamasina I-Ii, Vohibinany(Brickaville), Vatomandry, Mahanoro, Antanambao Manampotsy, Nosy Varika, Mananjary, Manakara, Vohipeno, Farafangana, Vangaindrano Et Taolagnaro. Entanina manokana araka izany ny mponina voakasikin’ny fanairana mba hanaraka akaiky ny fivoaran’ity rivodoza ity. Mbola azo antoka fa ho maina hatrany aloha ny andro eto Madagasikara hatramin’ny rahampitso alarobia faha 02 Febroary 2022.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT