“Madagascar a des morts (…) Mais ce n’est pas effroyable”, io no isan’ny fehezan-tenin’ny Minisitry ny Fahasalamana Malagasy
Pr Hanitrala Jean Louis Rakotovao tao amin’ny haino aman-jery Frantsay France 24 ny talata 27 aprily teo mikasika ny valanaretina coronavirus. Azo adika malalaka amin’ny hoe: misy tokoa ny matin’ny coronavirus eto Madagasikara, saingy maivana tsy dia mampatahotra na mampivarahontsana loatra.Mafy ny fanakianan’ny filohan’ny antenimieran-doholona teo aloha, Rivo Rakotovao, omaly mikasika ity fomba fanehoan- kevitry ny minisitry ny fahasalamana Malagasy, ny Profesora Jean Louis Hanitrala Rakotovao. Profesora Rakotovao, Minisitry ny Fahasalamana, hoy izy, miala tsiny fa tena tsy rariny intsony ny fomba fanehoanao hevitra. Tsy nisedra havana maty sy marary tokoa angamba ianao ka manimbazimba ireo olona ao anatin'ny alahelo sy fahoriana fa namoy ny havany. Nolazainao fa "Maivana tsy dia mampatahotra loatra ny fahafatesana misy mitranga eto Madagasikara." Fa ahoana? Mitandrema ihany fa aleo halan'andriana toa izay hankahalain'ny vahoaka! Nataoko tsy misorona izao teny izao ho fanajana ny fahatsiarovana ireo havako sy namako, ny mpiray tanindrazana maty. Samy ho tahian’Andriamanitra isika rehetra ka omeny fahasitranana sy fahasalamana, hoy hatrany ny tenany. Mety manana ny heviny sy ny fijeriny ny minisitry ny fahasalamana, saingy maro ny voatsindrona sy nandray ny teniny ho tsy voalanjalanja na sanatria manompa ny Malagasy mihitsy aza. Manan-danja be ny teny avoaka, ny fitondran-tenan’ny manampahefana, ary saropady ny resaka fahasalamana; saingy tsy vaovao moa tato ho ato izay ny maheno mpitondra ambony miteniteny foana na mamoaka vava tsy voalanjalanja .
J. Mirija sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.