Actualités

Rivellino Ravelomahazo “Mila mamokatra ny harenantsika isika”


  • Talata 25 Oktobra 2022

Tsy tokony atao ny mampifangaro resaka mahakasika ireo parlemantera, hoy ny mpikamban’ny vovonan’ny tanora tia tanindrazana mitady fanovana eto Madagasikara na JPRM, Rivellino Ravelomahazo.

Misy sata manokana mifehy azy ireo, hoy izy, na ilay antsoina hoe “immunité parlementaire”. Misy koa eo ny fitsarana avo natao hitsara ireo ady heloka mahakasika olona ambony sy mpanao politika ambony dia ny HCJ izany. Misy fitsipika anatiny mifehy koa ny antenimierampirenena sy antenimierandoholona mamaritra ny fomba hahafahana manenjika ireo parlemantera mety mihoa-pefy na tsy manara-dalàna dia ny fanesorana izany “immunité parlementaire” izay atao anaty kaomisionina sy fidiana am-pahibemaso avy eo. Tsy voatery ny fahatongavan’ny parlemantera anaty fivoriana no manambara ny fisiany. Mbola mety misy asa mahatana azy. Misy parlemantera sasany izao lasa any an-dafy. Misy mamita iraka miaraka amin’ny filoham-pirenena sy ny maro samihafa. Tany tan-dalàna I Madagasikara ka manaraka ny rafitry ny lalana, noho izany, ny zava-drehetra. Mikasika ny fahitana ny fandraisantsika anjara amin’ny dinika tany Maraoka dia hita fa manana fahavononana hiatrika ny krizy ekonomika manerantany sy fampandrosoana anatiny imasoana ato I Madagasikara satria namoaka ilay drafitra fanandratana an’I Madagasikara na PEM tany ny filoham-pirenena. Fotokevitra miisa 2 lehibe no navoakany tao dia ny hoe atomboka ny fitrandrahana sy ny paika entina miasa amin’ireo harena voajanahary eto Madagasikara, izay tena maro an’isa. Firenena mahantra nefa manana harena isika nandritr’izay fotoana maharitra izay. Hanomboka hitodika amin’ny famokarana ireo mba hiteraka harena ho an’ny vahoaka sy ny firenena izany isika. Ny faharoa dia ny fitodihana amin’ny fambolena na revolisionina maitso izay tena zava-dehibe satria tany amin’ny filoha Tsiranana tany amin’ny 60 taona lasa isika no nanao izany farany. Enga anie mba hitohy izany satria tsy ilay mijanona ao an-tokantrano fotsiny fa ilay fambolena indostrialy tena ho loharanon-karena maharitra ho an’ny tantsaha maro an’isa. Mila mamokatra ny harenantsika isika nefa sakana hatramin’izao ny tsy fananana herijika nenti-niatrika nefa nanana tahiry ara-boajanahary. Izay no antony hisintonana ireo mpandraharaha avy any ivelany hampiasa ny volany eto sy hifanakalo amin’ireo ato anatiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT