Nisy ny «Convention de 31 octobre 1991»
na ny fifanarahan’ny 31 oktobra 1991, hoy ny mpitarika ny Tanora tia tanindrazana repoblikanina eto Madagasikara na «Jeunes patriotes républicains de Madagascar», afohezina amin’ny hoe JPRM, Rivellino Ravelomahazo. Nitondra nankaiza izany, hoy izy. Tanteraka ve? Tsy namaha olana izany aloha mandrak’androany fa fiverimberenana krizy no naterany. Azo atao amin’ny seha-pihariana isan-karazany ny fifampiresahana. Isany ny fampianarana, fihariana, sosialy, fifandraisana iraisampirenena na ara-barotra na diplaomatika. Fifanarahana politika no matetika an-dohan’ny rehetra satria misy ireo mitaky hoe «assemblé constituante» na antenimiera teny ieràna, ohatra, dia hoe 300 isa ny depiote na 250 ny loholona ary mba hifampizaràna nefa aiza izany ny vola enti-mamatsy izany? Ny fifampiresahana isan-tsehatra na «multisectorielle» no vahaolana izao. Andraikitra fa tsy toerana no tokony zaraina! Ny sehatra tsy miankina no fidiram-bola ho an’ny fanjakàna. Izany hoe amin’ny alalan’ny hetra, fanafarana sy fanondranana entana, fampiasàna olona ihany koa satria mandoa hetra ireny olona ireny. Ny mpanjifa koa mandoa hetra amin’ny alalan’ny TVA amin’ny vokatra vokarin’ireny mpandraharaha ireny. Manana ny atao hoe mpamatsy vola mahazatra toy ny banky iraisampirenena, tahirim-bola iraisampirenena, ny BAD sy ireo fiaraha-miasa amina firenena maro koa ny fanjakàna. Tsy mampino, noho izany, ny hoe fanjakàna tsy manam-bola. Ny fanontaniana tokony apetraka angamba dia hoe ahoana no ahafahana mampiasa vola mba hisy fiantraikany any amin’ny fiainam-bahoaka? Izay no anton’ilay hoe tsy maika ny fizaràna seza hiteraka fandaniana mihoam-pampana ho an’ny firenena fa ny fampiasam-bola ho amina tetikasa manasoa vahoaka haingana. Isany ny herinaratra sy rano, famoronana asa, indrindra, fambolena sy fiompiana. Raha tiantsika ny hialàn’i Madagasikara amin’ny firenena ataon’ny olona sompitra na «pays réservoir» fotsiny satria hoe ao ambanin’ny tongontsika ao fotsiny ny harem-pirenena fa tsy trandrahana sy ahodina, izay fitondràna sy governemanta nanandrana izany dia niongana dia tsy tokony ho diso fijery isika hoe mihinana taolam-be tsy mitapaka aloha ny atao hoe tetezamita. Tsy maintsy mandova ny efa misy sy manomana ny hoavy izy. Efa nandeha izao ny fifampidinihana isan-tsehatra mikasika ny fampianarana. Tokony andeha koa ny fifampiresahana amin’ny mpandraharaha. Ny finoana koa satria 4000 izao no isan’ny fikambanana ara-pivavahana. Nitombo roa ny fiangonan-dehibe dia ny FPVM sy Orthodoxe. Ahoana izany no hanaovana ny FFKM? Ny vokatr’ireny dinika isan-tsehatra ireny ihany avy eo no avadika ho lalàna. Ny angovo, ohatra, raha manapa-kevitra ny governemanta fa handray an-tanana an’i Tsimiroro dia tokony hamoaka lalàna izany izy hoe afaka manodina ny vokatra ao koa ireo orinasa malagasy hamadika solika na lasantsy ilay menaka mavesatra mba hampiasàna izany hamonjena ny krizy amin’ny angovo eto Madagasikara, araka ireny nambaran’ny Profesora Solofo Jones, ireny. Raha manana izay finiavana politika izay izany ity tetezamita ity dia inoana fa afaka hanomana ilay Madagasikara tsaratsara kokoa ho any amin’ny fifidianana. Ho fenitra ho an’izay hitondra eo avy eo ny zavatra karakaraintsika izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.