saingy nialàn’ny repoblika malagasy
An-taonany maro tanatin’ireo repoblika miisa 4 nifandimby teto amin’ny firenena no nivoizana hatrany fa tantsaha ny 80%n’ny vahoaka malagasy. Tantsaha mpamokatra moa no filaza matetika azy. Mamokatra amin’ny alalan’ny fambolena samihafa, indrindra, ny voly vary. Nalaza ho sompitry ny ranomasimbe indianina tamin’izay lafin’izay mihitsy moa tamin’ireo repoblika miisa 3 teo aloha. Ankoatran’izay dia iaraha-mahalala ihany koa ny famokarana ireo vokatra fanondrana hafa ankoatran’ireo karazana legioma ho an’ny aty afovoan-tany. Eo ny famokarana lavanilina izay mampalaza ny faritr’i SAVA sy SOFIA. Toy izany ihany koa ny litchi sy ny kafe na jirofo sy vokatra hafa. Teo ihany koa ny karazana fiompiana, indrindra, ny fiompiana omby. Rehefa hiverenana manoloana izany ny tantaram-pirenena dia tsikaritra ho nanome vahana kokoa ireo tantsaha mpamokatra ny fitondràna kolonialy. Nalaina isam-baravaran’ireo mpamboly sy mpiompy ho solon’ny hetra ny ampaham-bokatr’ireo 80% raha toa ka karazan-ketra samihafa no notakiana tamin’ireo 20% ambiny, izay tsy isan’ireo tantsaha mpamokatra fa miasa amina sehatra hafa. Nalaza izany antsoina hoe «Hetra isan-dahy» izany, izay nosoratana ho fitia tsy mba hetra ho an’i Lafrantsa. Fantatry ny mpanjanaka, araka izany, fa ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy ireo no toy ny masinina manodina ny toekaren’ireo firenena babon’izy ireo mba hahafahany mamelona ihany koa ny fireneny dia i Lafrantsa. Raha fehezina, araka izany, dia nanana politika nampandrosoana ny 80%n’ny malagasy ny mpanjanaka saingy ny tena tanjony nefa dia ny hampandroso an’i Lafrantsa tamin’ny alalan’izay. Tsy nahagaga, noho izany, raha namitahan’ny frantsay ny zanataniny fahiny izay nampidiriny avy hatrany tanatina repoblika fa tsy naveriny tanatina rafitra tena nampety azy intsony ireo zanantany taloha ireo. Navela ho voizina fa ratsy daholo na koa nanimba daholo ny politikan’ny fanjanahantany, indrindra, io nifotorany io dia ny fanalalahana ny famokarana. Lasa politika mifantoka amin’ireo 20% fa tsy 80% intsony sisa no hita nifantohan’ny ankamaroan’ireo mpitondra nifandimby tao anatin’ny repoblika, indrindra fa ny tao anatin’izay 17 taona farany izay ka na ny filohan’ny Fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana teo aloha azy moa nampahatsiahy tsy fidiny mihitsy hoe tsy Antananarivo irery no Madagasikara. Maninona moa no ny 16%n’ny malagasy ihany, ohatra, tokoa no nampisitrahana herinaratra hatramin’izay ary voalaza fa amina tontolona tanàn-dehibe ny 12%n’izany? Nampiharin’ny mpanjanaka saingy nialàn’ny repoblika malagasy, araka izany, ny fampandrosoana miainga amin’ny famokàrana, raha ny hita hatreto aloha, nefa raha ny tombana na «bilan» momba izany hatramin’izao no haravina dia tena loharanom-pampandrosoana tokoa!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.