Actualités

Ritra Ikopa Nifanotofana ny fakana trondro


  • Alarobia 20 Janoary 2021

Mahazo vahana tanteraka ny hafanana eto amintsika. Efa mihoatra ny 36 °C

 

 

 


isan’andro ny heriny tato anatin’ny andro maromaro izao hany ka ritra hatramin’ny ranon’Ikopa. Ho an’ny eny Ampasika sy Anosizato ohatra dia efa tena azo handehandehanana mihitsy ao ambany tetezana. Tonga marobe ireo mpaka trondro noho izany raha mahatsiaro mijaly kosa ireo Renim-pianakaviana mpanasa lamba. Raha teny amorony fotsiny mantsy teo aloha ireto farany dia efa mahavita manasa lamba, ankehitriny tsy maintsy mirotsaka eny afovoany miloloha koveta feno lamba miaraka amin’ny sceau raha mbola hiadivana ihany koa ny toerana. Tsy misy azo hatao anefa fa tsy maintsy miandry ny ranon’orana hilatsaka izy ireo. Fanantenan’ny maro ny hisian’izany manomboka anio sy rahampitso alakamisy na dia ao anatin’ny fandalovan’ny rivo-doza Eloise aza. Ho an’ny trondro manokana moa dia tsara raha mailo sy mitandrina avokoa ny rehetra rehefa mividy azy ireny. Tsy vitsy mantsy ireo trondro maloto miparitaka ka anisan’ireny ny avy ao amin’ny ranon’Ikopa izay toerana fanasan-damba sy fanarian’ny sasany maloto. Tsiahivina fa efa mahatratra 16.000 Ar ny iray kilao amin’ny trondro amin’izao eny an-tsena.

Pati
Legende : Ela ny ela ka ritra toy izao ny reniranon’Ikopa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT