Actualités

Rinah Rakotomanga "Mpibizina fanafody 5 no efa voasambotra"


  • Talata 13 Aprily 2021

Nahitsy ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga omaly

 

 

 

 tao amin’ny pejiny manokana ao amin’ny tambajotran-tserasera naneho, fa mpibizina maloto manaraotra amin’ny fanafody satria misy milahatra eny amin’ny CSB maka ireo fanafody maimaimpoana dia manangona sy mivarotra izany amin’ny vidiny lafo dia lafo avy eo. Mbola nampiany aza taorian’izay hoe: “TDO na Tonga Dia Omana fanafody ny “dose” iray avy hatrany izay milahatra fanafody eny amin’ny CSB II rehetra. Ho hita ny tena marary marina sy ny mpibizina, hoy izy. Nambary moa taorian’ireo, fa olona 5 no voasambotry ny mpitandro ny filaminana mivarotra fanafody eny an-dalana. Arahi-maso akaiky ireo CSB sy ireo miasa ao amin’ny fizarana fanafody, hoy ity tompon’andraikitra ambony ity. Mirongatra ny fifanararaotana amin’ny endriny maro ankehitriny, izay tena ilàna ny fandraisana andraikitra hentitra avy amin’ny Fanjakana na ny fanafody, na ny oxygène,… Rehefa ampy sy mitosaka ary amin’ny vidiny mirary eny amin’ny toerana natokana ho amin’izany anefa ireny fanafody sy filàna ara-pahasalamana ireny, dia mihena ho azy ny fanararaotana. Matoa miseho izany ankehitriny, dia misy ihany koa ny lesoka avy amin’ny Fanjakana. Lasa toy ny entam-barotra sy bizina hatrany anaty tambajotran-tserasera ny fanafody, ka mila fandraisana fepetra mafonja.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT