Mpanakanto ara-pilazantsara eo am-bavan’ny maro na kristianina na tsia ny sanganasan’i Rija Rasolondraibe.
Higadona eto Madagasikara ny tenany rahampitso zoma hariva noho ny fandraisany anjara amin’ny hetsika “Rodorodom-piderana, Rodorom-pitoriana, Vavaka ho an’ny tanindrazana 2013” izay hotanterahana ao amin’ny “Coliseum” ny sabotsy 03 aogositra tontolo andro. Manomboka amin’ny 7 ora maraina ny fisokafan’ny vavahady. Manomboka amin’ny 8 ora ny fitoriana izay anehoana amin’ny “Écran géant” ny endrika fitoriana filazantsara natao tany amin’ny renivohi-paritany 5, arahan’ny fitondrana am-bavaka ny firenena amin’ny fitenim-paritra mba hahatsapan’ny olona rehetra fa ho an’ny Foko rehetra ny famonjen’i Jesosy. Araka ny fanazavan’ny pasitera Rakotobe Rajaomanjato, mpikarakara dia hanana anjara koa ny mpitory filazantsara avy any Afrika Atsimo. Amin’ny 1 ora tolakandro kosa no hiaka-tsehatra voalohany i Rija Rasolondraibe izay dimbiasan’ny STK avy ao amin’ny FJKM Zoara fanantenana. Miverina mitarika ny fiderana sy ny vavaka ho an’ny firenena indray ny tenany aorian’izay. Maimaimpoana ny fidirana ao amin’ny “Coliseum” ary anasana ny olon-drehetra.
Fiombonan’ny zokiny sy zandriny
Baikon’i Jesosy kristy ny Rodorodom-pitoriana hanao mpianatra ny firenen-drehetra. Tamin’ny aogositra 2008 ny fiangonana FJKM Ambohipo no nisantatra azy tany Toamasina ary notetezina avokoa isan-taona ireo renivohi-paritany rehetra. Ity eto Antananarivo ity no mamarana azy. Endrika mivantan’ny fiombonana ny Rodorodom-pitoriana satria hatramin’ny niandohany dia misy hatrany fifanomezan-tanana avy amin’ny fiangonana ankoatra ny FJKM toy ny FLM sy ny fiangonana zandriny. Mpitory filazantsara avy amin’ny vazantany 4 no mandray anjara amin’ny Rodorodom-pitoriana 2013. Misy ireo avy avy ao Afrika Atsimo, Inde, Korea Atsimo, Etazonia ary Canada.
Ankoatra ilay amin’ny sabotsy izao dia feno ny fandaharam-potoana voaomana mandritra ny iray volana . Misy ny seminera “Vonjeo ny fianakaviana” isan-kariva ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina ny 4 aogositra hatramin’ny 17 aogositra, arahan’ny seminera ho an’ny tanora ataon’ny misionera avy any Korea Atsimo sy ny “jeunesse en mission” eny amin’ny foibeny eny Ambatoroka ny 19 aogositra hatramin’ny 23 aogositra. Ny tolakandron’ny 24 aogositra indray dia hiaka-tsehatra ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina i Choi In Yok izay mpihira ara-pilazantsara fanta-daza indrindra avy Korea Atsimo. Mbola ao an-toerana ihany dia hamintina ny baiboly amin-kira, tantara ary dihy ao anatin’ny adiny 2 ora sy sasany indray ny STK avy ao amin’ny Zoara fanantenana ny 25 aogositra. Maimaimpoana avokoa ireo fiofanana sy seho fiderana ireo. Mamarana ny Rodorodo kosa ny fanofanana omena ny pasitera sy mpitarika fiangonana tanterahana ao amin’ny RHEFI Androndrakely ny 26 aogositra hatramin’ny 30 aogositra. Evanjelista avy any Inde no hanatanteraka izany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.