Fiderana sy fiankohofana ho an’ilay Nahary aseho amin’ny endrika hira, dihy... no hatolotry Rija Rasolondraibe, anio alin’ny 11 aprily, etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina.
«Ny tsara indrindra no hatolotro ho an’Andrimanitra sy ny mpijery», hoy i Rija Rasolondraibe mba ho fanomanana sahady ny fotoam-pankalazana ny paska. Ny hifantohan’ny Olombelona bebe kokoa amin’Andriamanitra no tanjona, hoy ihany ity mpanakanto ity ka hanalaviran’ny fanahy ratsy. Haharitra roa volana ny fandalovan-dRija Rasolondraibe eto an-tanindrazana izay fotoana hanolorany seho manerana ny Nosy sy hamoahany ihany koa ny kapila mangirana vaovao hirakitra ireo hira vao noketrehany.
Azo lazaina ho mpanakanto ara-pilazantsara malagasy matihanina tokoa i Rija Rasolondraibe ary tsy vitsy ihany koa ireo firenena efa nanjifa ny kantony izay mirona tanteraka ho amin’ny fitaizana ny fanahin’ny zanak’olombelona hankamamy hatrany ilay fitiavana sarobidy tsy
manam-pahataperana avy amin’ny Ray. Hivalampatra amin-gadona maroloko rahateo ny fandaharan-kira eny an-toerana koa inoana avy hatrany fa samy hahazo ny anjarany avokoa ireo mpijery izay ho avy hijery ny seho "Ho avy ny mpanjaka" iarahana amin’ity mpanakanto miangaly ny vazo mitaiza fanahy hisandratra amin’Andriamanitra ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.