Noraisin’ny mpisolo toeran’ny sekreteram-panjakan’i Vatican, ny arseveka Edgar Peña Parra,
tao amin’ny fiantranoana masin’ity fanjakana tarihin’ny Papa François ity omaly ny masoivohon’I Madagasikara ao Frantsa, Rija Olivier Rajohnson. Tamin’ity fotoana ity ihany koa no nanoloran’ity masoivoho ity ny taratasy manendry azy ho ambasadaoro manokana misolo tena an’i Madagasikara na “Ambassadeur extraordinaire et Plénipotentiaire de Madagascar” ao Vatican. Ny fiantranoana masina moa, raha fehezina, dia rafitra iray natao hanabevoho ny fifandraisana diplomatikan’ny fanjakana vatikana amin’ireo firenen-kafa miara-miombon’antoka aminy. Ny masoivoho Malagasy ao Frantsa araka izany no misolo tena ny firenena Malagasy eo anivon’izay rafitra izay manomboka izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.