Actualités

Rév. Satrobory Tsy vahaolana ny herisetra


  • Talata 23 Jolay 2013

Fifanandrifian-javatra noho ny fikarakarana antontan-taratasy teny an-toerana no nandalovako teo amin’ny manodidina ny tsangambaton-dRalaimongo taloha nisian’ny hetsika kandidŕ iray omaly alatsinainy, hoy ny Rév. Satrobory, fa tsy nifanaraka velively tamin-dry zareo ny tenako hoe ho avy eny.

Na izany aza dia nampahatsiahy ahy ny hetsika «Grève de la faim » nataonay sy Pr Randrianatoandro tamin’ny fotoanandro nitondran’ny filoha Zafy Albert ny zava-nisy omaly ary asahiako milaza fa mety hahomby tahaka ny fahombiazan’ny anay tamin’izay fotoana izay ity hetsika ity. Manao antso avo amin’ny tafika ny tenako, hoy ny Rév. Satrobory fa tsy vahaolana velively ny fanaovana herisetra sy fakana an-keriny fitaovan’olona ary fanaovana ramatahora amin’ny vahoaka maneho hevitra. Mpandamina no anjara asanareo. Amin’ny maha raiamandreny ahy eto an-tanàna dia tsy ekeko ny hampisavoritahana tanàna satria renivohi-pirenena Antananarivo ka tsy maintsy homena ny hasina. Aoka ianareo mpitandro ny filaminana tsy ho fitaovan’ny mpiaro seza politika sy ny tombontsoan’ny tenany manokana sy ireo mpiray tsikombakomba aminy, hoy hatrany izy.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT