Tsy manaraka ny lalŕnan’ny zava-misy ny toe-draharaham-pirenena iainan’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao, hoy ny Rév. Satrobory.
Ahiany ny mety hisian’ny ady an-trano kononkononin’ireo teratany vahiny. Raha ny fizotry ny tsy filaminana misy eto Madagasikara amin’izao dia tsy ho tonga any amin’ny famahana ny olana velively ny fifidianana izay hotontosaina tsy ho ela eto amintsika, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko AMF/3FM. Aminy dia ilaina mialoha ny hanatanterahana ireo karazam-pifidianana eto amin’ny firenena ny fampihavanana eo amin’ny samy Malagasy ary vitantsika tsy mila vahiny izany, hoy ny tenany. Mbola mampirisika hatrany ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy mianaka avy amin’ny FFKM ny Rév Satrobory hanohy ny asa efa natombok’izy ireo satria io no hany lalana tokana maharesy lahatra azy hivahan’ny tsy fitovian-kevitra eto amintsika. Mila mahatsapa tena ihany koa anefa ny vahoaka malagasy izay tompon’ny teny farany, hoy izy namarana ny teniny. Na izany aza dia manoa hatrany ny tenin’ny filoha Marc Ravalomanana ny AMF/3FM, nefa matoa tsy tazana eny amin’ny propagandin’ny kandidà Robinson Jean Louis ry zareo dia ao anatin’ny iray volana masina ny finoana Kimbanguiste ka tsy mitsahatra ny mivavaka ho an’ny firenena eto an-toerana rehefa tsy lasa tany Kama ny Rév. Satrobory. Manararaotra etoana ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviana Marc sy Lalao Ravalomanana noho ny fahalasanan’i Bebe Razay ny AMF/3FM.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.