Actualités

Resaka trondro maty Manahy ny teti-dratsy efa voaomana ny QMM


  • Zoma 27 Mey 2022

Mbola mafana ny toe-draharaha mahakasika ny raharaha "QMM" any amin'ny faritra Taolagnaro amin'izao fotoana. Niparitaka tamin’ny haino aman-jery sasany sy ny tambazotran-tserasera tato ho ato ny filazana fa tena nisy singa

simika tokoa nahafaty ireo trondro. "Efa nahazo ny valin'ny fanadihadiana nataon’ny ny laboratoaran’ny Ivon-toeram-pirenena misahana ny siansa sy teknika nokleary (INSTN) sy Rafitra nasionaly miandraikitra ny rano sy ny fanadiovana ary voamarina fa tsy avy amin'ny fitrandrahana ataon'ny QMM ny nahafaty ireo trondro anaty renirano fampiasa sy fiveloman'ny mponina », hoy kosa Atoa Noely Martino Tompon'andraikitra misahana ny fampivoarana ny sosialin'ny ao amin'ny QMM. Mametraka ny ahiahiny ho trangan- javatra efa voaomana moa ny any an-toerana satria efa in-droa nitranga tao amin'io toerana io. Mbola andrasana kosa ny famoahan'ny fitondram-panjakana ity valim-pitiliana ity amin'ny fomba ofisialy, ary voalaza fa mbola hanao fitiliana fanampiny (analyse supplémentaire). Andrasana izany ny tatitra ofisialy eo anatrehan’ny resaka mifamahofaho. Misy ambadika politika ve ny raharaha ? Vahaolana fohy ezaka hamerenana amin'ny laoniny haingana ny fitrandrahana fasimaintay ataon'ny orinasa QMM any Taolagnaro ny fanomezana tohana ara-bola isan'andro reo mponina voakasiky ny asa. Fandaminana nifanarahan'ny roa tonta vokatry ny fifampiresahana mivantana izay noelanelan'ny fitondram-panjakana ho fikatsahana ny tombotsoa iraisan'ny rehetra. "Homena vola mitentina 50 000 ariary isan'andro mandritra 55 andro eo ireo mponina voakasiky ny asa fitrandrahana mivantana. Misy telonjato no voamarina, hatreto, fa hisitraka izany. Tsara ny mampahatsiahy fa mandoa honitra hatrany hatramin'ny nonombohana niasany ny QMM araka takian'ny lalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, hoy ny fanamarihana. Efa mahatratra sivy miliara ariary ny vola naloan'ny orinasa", hoy hatrany i Noely Martino, tompon'andraikitra misahana ny fampivoarana ny sosialy ao amin'ny QMM.
MIVERINA TSIKELIKELY
Miverina tsikelikely ny asa ao amin'ny toeram-pitrahanana any Taolagnaro, amin'izao fotoana izao. Manomboka manjono ihany ireo mponina any an-toerana. Efa nomen'ny minisiteran'ny Jono alalana hiandrika rahateo ireo mpanjono nanomboka tamin'ny alahady lasa teo". Tsy mampiasa akora simika ny ao QMM fa manao "séparation electro-statique" , hoy hatrany ny fanamafisana.
(sary fanehoana)
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT