Actualités

Resaka mersenera Nangina ny FAT


  • Talata 22 Febroary 2011

Novoizin’ireo haino aman-jery manohana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita mafy tamin’iny herinandro iny fa dia ho avy miaraka amin’ny mersenera vazaha indray Atoa Marc Ravalomanana amin’ny fiverenany eto, izay tokony ho tamin’ny sabotsy 19 febroary teo, tsiahivina ihany.

Nilaza ny handray ny fepetra rehetra mifanaraka amin’izany ny teo anivon’ny tafika, na hihatra aman’aina aza, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy Ankadilalana ny zoma 18 febroary teo. Nosakanan’ny FAT tamin’ny fomba rehetra ny fiverenan’ity filoha voafidim-bahoaka ity, an-tanindrazana. Nangina kosa anefa izy ireo ny amin’ny fisiana na tsia izany mersenera vazaha izany. Azo nohamarinina tsara tamin’ny kaompania Airlink rahateo ny lisitry ny mpandeha tamin’io fiaramanidina tokony ho nitondra ny fianakaviana Ravalomanana niala avy atsy Afrika Atsimo nanketo Madagasikara io, fa tsy nisy olona nampiahiahy tao.

Mazava, araka izany, fa tetika nampiasain’ny mpitondra ankehitriny, mba hanetsehana ny hambompon’ny miaramila sasany ihany ny fivoizana iny resaka mersenera vazaha iny. Hitam-poko hitam-pirenena rahateo fa tsy nisy afa tsy ny filoha Marc Ravalomanana sy ny vady aman-janany ary ireo mpiara-miasa akaiky aminy, izay samy Malagasy avokoa, no tonga tao amin’ny seranam-piaramanidina tao Johannesbourg Afrika Atsimo nikasa hiverina an-tanindrazana ireo, saingy nataon’ny FAT tamin’ny fomba rehetra moa ny hanakanana ny fahatongavan’izy ireo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT