Tsy nisy tsy nahalala ireo vondrona mpitandro ny filaminana tao Toamasina, fa fiara 4x4 Mitsubishi Sportero L200 laharana 1207 WWA miloko volondavenona, ny fiara nentin’ny Dr Laivao nisy naka an-keriny tao Valpinson niaraka tamin’ny zanany faravavy vao 10 taona, izay niafara tamin’ny famonoana azy tamin’ny fomba feno habibiana ary nanariana tao Analamalotra, mbola nifatotra tongotra aman-tanana.
Nentin’ny jiolahy nitsoaka ilay 4x4 ka nifanenjehana tamin’ny RN2. Nandritra izay no nahatsikaritra fiara 4x4 miloko volondavenona nijanona tao anaty arabe ny zandary avy ao Toamasina nanao fanarahan-dia ireo jiolahy. Fiaran’ny fiangonana FLM avy namita iraka tany Marolambo ndeha hitodi-doha hiverina any Toamasina izy io, saingy vaky kodiarana sy simba «roulement» ka nihitsoka tao anaty lalana. Voasoketa ho jiolahy avy hatrany ny mpamily ary mpiray tendro ireo tao anatiny. Marika Ford anefa ilay 4x4 an’ny FLM, saingy nitovy loko samy volondavenona tamin’ny an’ny dokotera nalain’ny jiolahy. Sady nisy kiraron-jaza koa moa tao anatin’ilay Ford no nahitana galonan’ny polisy latsaka teo akaikiny. Polisy nanampy ireto iraka ireto no tompon’ilay galona, ary nanamboatra ny fiarany izay simba teo akaiky teo ihany koa izy.
Tao anaty haizina avokoa izany no mitranga. Voaotra 100.000 ariary ireto olon’ny FLM ireto, raha 1.000.000 ariary no notakiana tamin’izy ireo. Nohazonin’ny zandary ilay galona na polisy fa mpiray tendro amina jiolahy, hono, ny tompony. Ankoatra izay dia nisy fiara Golf miloko manga koa tratra nifanjohy sy nibahambahana ny mpitandro ny filaminana nanao ny asany tamin’ny RN2 ary mbola tratra teo anoloan’ilay 4x4 Mitsubishi Sportero L200, navelan’ireo jiolahy teo amoron-dalana, 04km tsy hidirana an’i Ranomafana. Roalahy no hazonina hanaovana fanadihadiana. Eo am-pelatanan’ny polisy moa ankehitriny ilay fiara Mitsubishi Sportero L200. Miandry ny fahatongavan’ny zanany vavimatoa avy any Frantsa rahampitso sabotsy kosa ny fandevenana ny Dr Laivao Michel Victori.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.