Actualités

Resaka baomba Fisamborana sy fisavana lavareny


  • Alarobia 09 Martsa 2011

Tsy dia nisy nahataitra ihany satria saika miverimberina isaky ny telo volana ny toe-javatra raha vao misy fanapahan-kevitra politika horaisina.

Mahakasika ny raharaha izay voalaza fa fikasana hifofo ny ain’i Andry Rajoelina tetsy amin’ny Marais Masay ary dia fantatra izao fa mbola mitohy ihany ny fisamborana sy ny fisavana tranon’olona. «Efa misy ny voatazona ao Ankadilalana saingy tsy azo omena ny isany aloha mba ho tsiambaratelon’ny fanadihadiana. Tonga hatrany Sabotsy Namehana ny fisavana ary mbola hitohy hatrany mandra-pahitana izay tena marina amin’ity raharaha ity. Tsy hafenina ihany koa fa efa misy ny mpanao politika izay hampanantsoina sy hohainoina» raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fari-piadidiana ny zandarimaria eto Analamanga.

Filazana izay efa miverimberina ihany rehefa misy ny toe-javatra mitranga toy izao. Raha tsiahivina ny momba ity raharaha ity, samy mandray an-tanana ny fanadihadiana ny vondron’ny mpitandro ny filaminana tsirairay avy. Izany dia vokatry ny fifamaliana teo anivon’ny tompon’andraikitra ambony roa izay samy te-hamiratra amin’ny raharaha. Ny BC, ohatra, dia efa nanadihady olona maromaro izay voalaza fa afaka mijoro ho vavolombelona. Ny DST ihany koa dia efa manao ny azy mangingina. Ny Jeneraly Ravalomanana ihany anefa no tompon-teny farany na dia eo aza izany.

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT