Be loatra ny tsaho mandeha mikasika ny fananganana ireny pylone ireny eto amintsika, raha araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI malagasy omaly.
Anisan’ireny ny filazana fa mahavoa ny homamiadana amin’ireo olona monina manakaiky azy ny fananganana pylone, tsy mampiteraka ireo vehivavy tokony hiteraka… Antony miteraka ny fikomiana ataon’ny mponina etsy sy eroa izany, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina ka mampitombo ny fitarainana voarainay. Eto an-drenivohitra avokoa ireo tanàna izay narahina filanjana sorabaventy sy fanorehana toy ny teny 67 ha avaratra, Sabotsy Namehana, Namontana, Ambohimanarina, Ivato tanàna, Tsiadana, Ambilanibe. Mba ahafahana mamaha ny olana ary dia hikarakara adihevitra goavana etsy amin’ny Mon Goûter Andrefanambohijanahary ny fikambanana ny 08 Jona ho avy izao. Antsoina sy asaina manokana amin’izany ny fitondram-panjakana, mba hizara ny fahalalana ananany sy ny fepetra tokony horaisiny, ireo orinasam-pifandraisana miisa telo eto amintsika, ny orinasa TOM, izay mpanamboatra ireny pylone ireny, ireo dokotera manampahaizana afaka hanazava izany…Tanjona ny hanazavana amin’ny rehetra ny mikasika ity pylone ity sy ny tsiambaratelony. Toraka izany koa ny voka-tsoa entiny amin’ny alalan’ny fampiasana finday tombony izay iraisan’ny rehetra sady lalana tsy azo hihodivirana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.