Actualités

Reporters sans frontičres sy ny UPF Manameloka ny fandaniana ny lalŕna momba ny fifandraisana


  • Sabotsy 09 Jolay 2016

Manomboka mirarakompana ny fanakianana sy fanamelohana ny nandanian’ny antenimieram-pirenena ilay lalŕna momba ny fifandraisana.

  Samy namoaka fanambarana omaly ny Reporters sans frontières (RFS) sy ny Union Internationale de la Presse Francophone (UPF) na fikambanana iraisam-pirenen’ny orinasa fanaovan-gazety Frankôfôna, ary nilaza fa fihemoran’ny demokrasia sy fahalalahana maneho hevitra no misy eto Madagasikara ankehitriny. Miantso ny governemata sy ny antenimieram-pirenena mba hiverina amin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo ka hiverina handinika ilay volavolan-dalàna efa nahitana marimaritra iraisana nivoaka avy amina fifanakalozan-kevitra sy atrikasa maro be niarahana tamin’ny minisiteran’ny serasera, ny holafitry ny mpanao gazety ary ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD). Mametra-panontaniana ireto fikambanan’ny mpanao gazety eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireto hoe nahoana no nodinihana sy nolaniana maimaika tamin’ny andro alina ny zava-tsaro-pady toy ny lalàna momba ny fifandraisana ? Tsy azo hamaivanina ny fanamelohana sy fanehoan-kevitra tahaka izao satria tena manaratsy endrika ny fitondrana Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT