Reny adalam-bazaha antitra

> Safotra saika maty nodarohany ny zanany 3 taona


  • Alarobia 28 Aogositra 2013

Vehivavy iray, 20 taona, manan-janaka vavikely telo taona variana foana manenjika vazaha antidahy no saika namoa-doza indray omaly tao Toliara.

Nodarohany tsy nananany antra ny menaky ny ainy raha saika hanaraka azy. Vokatry ny kapoka mafy dia safotra mihitsy ilay zaza, ka raha tsy nifamonjena haingana dia nanaraka hatramin’ny ain-dehibeny.  Nanoloana ny fihetsika tsy voahevitra nataon’ity reny adalam-bazaha ity dia tezitra ny manodidina ka saika namono azy koa, raha tsy ny olobe teo an-tanàna no nandamina ny raharaha haingana.

Manoloana ny tranga mamohehatra toa mahazatra ny maso sy ny fiarahamonina saika isan’andro toy izao dia vitsy ny olona no sahy mitoroka, ary dia vitavita eny foana ny raharaha. Ampahany amin’ny zava-misy ao Toliara ity nitranga omaly ity. Mafy tokoa ny fiainana ka ny naharary nihafiana nandritra ny sivy volana toa tsy misy dikany ny mandatsaka ny ainy. Raha ny angom-baovao dia tsy manambady ity vehivavy ity fa ireny vazaha antitra tsy fanta-piaviana ireny no mba rembiny.

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT