Miondrika am-panajana eo anatrehan’ireo mpiray tanindrazana manoloana ny zava-misy, hoy ny mpanao politika sady birao eo anivon’ny antoko politika GFFM, Regis Ramamonjisoa,
satria dia mangidy tokoa amin’ny malagasy, indrindra, amin’ny maha olombelona, izany hoe mamoy Havana, iraitampoho anaty fotoana fohy ary amin’ny tsy noheritreretin’ny saina. Mirary fiononana feno ho an’ireo fianakaviana rehetra miaritra izao zava-tsarotra sy mangidy izao, hoy izy. Mirary fahasitranana ireo mbola tsaboina koa. Anaty vanim-potoana sarotra ny firenena ankehitriny. Miatrika olana ara-tsosialy toy ny fiakaran’ny vidim-piainana sy fiatrehan’ny ray aman-dreny ny fidiran’ny mpianatra nefa mitranga ny toy izao. Very fanahy mbola velona ny vahoaka malagasy hoe mankaiza marina moa izany ny fiainam-pirenena raha izao no mitohy ka tsy misy fandraisana andraikitra ho an’ny tsirairay? Misy andraikitra sy lesona tokony ho raisin’ny tsirairay manoloana izao ankehitriny izao na ny tranga tany aloha. Raha tsy hijery iny tany Ikongo iny fotsiny izao dia mampametra-panontaniana ihany hoe tsy maintsy niroso tamina fitifirana na fandatsahan-dra ny mpiray tanindrazana ve? Ny hetra alohantsika vahoaka malagasy no andoavana ny karaman’ny mpitandro filaminana fa aza adino! Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ireo. Ekena fa tany tan-dalana ny firenena fa tsy mety ve ny namoahana ilay olona miisa 4 izay nangatahan’ilay vahoaka dia niroso tany amin’ny fifampidinihana? Tsy azo ekena tokoa ny fitsaram-bahoaka fa hoy ny ohabolana hoe tany misy olobe tsy miady zaza. Tsy hoe hampianatra ny mpitandro filaminana ny asany fa tokony efa mba nisy drafitra matipaika kosa hoe raha izao no mitranga dia izao no tokony atao satria tsy sambany izao no nisy vahoaka nirohitra ho any amina toby na andrim-panjakana. Ny namoy ilay olona miisa 4 izay fantatra fa olon-dratsy sy mpamono olona ve no nety sa izao nanao sorona olona miisa 20 mahery ho azy ireo izao? Miha manahirana ilay endrika fifandonan’ny samy malagasy, hoy hatrany ny tenany, satria raha izao no mitohy fa mbola tsy misy samy haka lesona isika dia ho sanahirana eto isika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.