Actualités

Razanakolona Paul «Tsy olana ny fifandimbiasan-toerana»


  • Sabotsy 03 Aogositra 2013

Efa resabe ao an-tanŕnan’Antsirabe ny ho fanoloana ny lehiben’ny Faritra araka ny tati-baovao nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo.

Raha ny resaka etsy sy eroa dia voalaza fa anisan’ireo mety hoesorina ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Razanakolona Paul. Raha nanotaniana ny mikasika izany ity farany dia nanambara fa «sady tsy mahafantantra no tsy anjara asany koa izany fa an’ny fitondrana foibe». Nanamarika kosa Atoa Razanakolona Paul fa raha ireo mason-tsivana nolazain’ny Governemanta fa hanesorana ireo lehiben’ny Faritra dia tsy mahakasika azy satria efa fanamby napetrany fony izy vao nipetraka hitantana an’i Vakinankaratra ny hiady ho an’ny fampandrosoana ity faritra ity ary tsy nanana olana tamin’izany ny tenany. Teo ihany koa ny filazana fa misy ireo manao didiko fe lehibe izay nohamafisiny fa izy tenany no nivoy ny resaka fihavanana voalohany tao Vakinankaratra ka madio ny sainy amin’izany. Nambarany ihany koa fa resaka politika ranofotsiny ny fanoloana ny lehiben’ny Faritra fa fombafomba fotsiny ny filazana fa misy tsy mahavita ny asany ireo lehiben’ny Faritra ka nilazany fa «tsy olana akory ny fifandimbiasan-toerana satria tsy hisy hitondra mandra-pahafatiny fa ny fomba ratsy hanesorana ny mpitondra no tsy mety», hoy hatrany ny tenany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT