Nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny sabotsy 29 martsa 2014 teo amin’ny faha-138 taonany i bebe Razanaka Germaine.
Mipetraka ao Soamahatamàna, Kaominina Ankazoambo, Distrikan’ Ambositra, Faritra Amoron’i Mania Razanaka Germaine, niteraka 16 mianadahy. Efa maty avokoa ny 11 fa dimy sisa no mbola velona ankehitriny. Araka ny tantaram-piainany dia tamin’ny taona 1973 no maty teo amin’ny faha-90 taonany ny vadiny niterahany ireo zanany ireo. Tsy voaisa intsony ny zafikeliny sy ny zafiafiny ary zafin-dohalika miaraka amin’ny zafim-paladia izay mielipatrana manerana ny Nosy.
Efa manana zafin-kitrokely na zafy fahadimy ity Ramatoabe ity amin’izao foana izao ka miara-monina aminy ny sasany amin’izy ireo. Saika ela velona avokoa ireo taranany satria tany amin’ny faha valopolo taonany no maty ny zanany lahimatoa. Mandrary satroka sy tsihy no fototr’asan’Itompokovavy Razanaka Germaine fahavelony, tsy manana aretina mitaiza izy ary ny sakafo tsy misy menaka no haniny matetika, anisan’izany ny tsaramaso sy ny anana ataony laoka. Hafatra napetrany raha te ho ela velona ny olona iray dia ny fifankatiavana eo amin’ny mpiray tampo sy ny mpiara-monina. Ny alatsinainy 31 martsa lasa teo no nalevina Ratompokovavy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.