Razakanirina Mahafaritsy

> Matoky ny safidin’ny vahoaka Malagasy


  • Zoma 04 Oktobra 2013

Lava loatra ny krizy teto amin’ny firenena taorian’ireny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 ireny ka mila miverina amin’ny fametrahana mpitondra amin’ny fomba demokratika ny vahoaka Malagasy satria izy no tompon’ny fahefana ka mampindrana azy amin’ny mpanao politika, hoy ny masoivohon’i Madagasikara tany Alzeria teo aloha sady filoha mpanorina ny antoko M-Iray (Malagasy Iray), Razakanirina Mahafaritsy.

Tsy ampy eto amin’ny firenena mantsy ny fipetrahan’ny fahefam-panjakana ka mahatonga ny tsy fanarahan-dalàna, ny tsy fifampifehezana, ny gaboraraka amin’ny lafiny rehetra ary ireo karazana halatra isan-karazany ka tsy tanteraka mihitsy ny asa fampandrosoana, hoy ity filohan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny fitondrana Ravalomanana ity. Mariky ny demokrasia ny fisian’ny kandida maro mirotsaka amin’ny fifidianana tahaka izao nefa ny mampahalahelo sy manaitra ankehitriny dia misy olona izay sady tsy niomana hanao politika no tsy vonona akory hitondra firenena nefa dia nilatsaka ho azy teo ary mampiasa vola be izay mbola fanontaniana mipetraka ny mikasika izany, hoy ny filohan’ny antoko Malagasy Iray, miara-dalana amin’ny firehana Ravalomanana. Mahita ihany koa ity mpanao politika ity fa maro ireo tsy fanarahan-dalàna toy ny fizarana vola sy ny fampiasana ireo mpiasam-bahoaka sy fitaovam-panjakana. Matoky tanteraka ny vahoaka Malagasy ny tenany amin’ny safidy izay hotanterahany ny 25 oktobra ho avy izao ka ilay kandida atokisany hamerina amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena, manana ny fandaharan’asany miantraika amin’ny fiainan’ny isan-tokantrano. Ho an’ireo izay mieritreritra ny hanakorontana ity fifidianana ity na mikasa ny hangala-bato dia nahitsy ny hafatry ny mpanohana ny kandida Robinson Jean Louis fa izy ireny no tena fahavalom-pirenena. Ampy izay ny dimy taona niainan’ny vahoaka tao anaty krizy ka fotoana izao hamelana ireo olom-pirenena hifidy malalaka sy mangarahara ny olona izay heveriny hanatanteraka ny faniriany sy ny hetahetany amin’ny asa fampandrosoana ny firenena.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT