Razaka Elisé

> Namoaka ny boky «ny fahaizana siantifika faratampony»


  • Alakamisy 29 Aogositra 2013

Omaly alarobia 28 aogositra 2013 no nampahafantaran’ny mpanoratra Razaka Elisé ny fivoahan’ilay boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe : “Omniscience, la connaissance scientifique ultime” na “ny fahaizana siantifika faratampony”.

Boky ahitana pejy 230 miisa 500 izay efa azon’ireo mpanjifa rehetra jerena eny amin’ireo toerana fivarotam-boky toy ny Maison de Presse eny Behoririka, Tsipika eny Analakely, Espace Loisirs Antaninarenina sy ireo tsena lehibe. Hazavain’ny mpanoratra ao anatin’ity vokatra an-tsoratra ity ny manodidina ny atao hoe : “omniscience” izay azo faritana ho fahafantarana ny niavian’ny zavatra rehetra sy ny mahatonga an’izao tontolo izao. Voalaza ao fa efa elabe tokoa no nisy olombelona nahalala azy ity toy ny tany Egypta sy Inde. Torak’izany koa i Jesosy Kristy, Mahomet ary Bouddha izay loharano nipoiran’ny finoana sy ny fiangonana. Ny “omniscience” dia fahaizana mivantana sy velona izay hiainana isan-tsegaondra ary miainga avy amin’ny fahalalana ny maha tokana ny zavatra rehetra ary tsy misy elanelana.

Mitovy dika amin’ny hoe “miaina amin’Andriamanitra” ny “omniscience” saingy fahaizana mangarahara lavitry ny hadisoana izay mampiavaka azy amin’ny finoana. Tsy azo porofoana amin’ny alalan’ny fampiasana hairaha sy fandinihana avo lenta ny fiavian’izao tontolo izao, araka ny fanazavan’ny mpanoratra fa kosa mety takatry ny sain’olombelona. Vokatra azo tsapain-tanana ateraky ny “omniscience” ny fiovana eo amin’ny fomba fijery sy ny fandraisana ny zavatra rehetra izay manatsara ny toe-panahy sy ny toe-tsaina. Zavatra maro no voaresaka ao anatin’ity boky ity toy ny tsy fisian’ny fiafaran’izao tontolo izao, ny fitohizana tsy ankiato ny fiainan’ny olombelona, ny fototry ny fitiavana, ny tsy fanavakavahana, ny famindram-po, ny fiantrana, ny fandeferana, ny fanetren-tena, ny tsy fisian’ny fahatahorana na ahiahy, ny fahatoniana ary ny fahaizana. Ho fehiny dia milaza ny mpanoratra Razaka Elisé, izay minisitry ny angovo taloha, fa ny olona tsirairay dia tokony ho tafita ao amin’ny “omniscience” na ny fahatongavana amin’ny fahaizana faratampony izay manazava ny zavatra rehetra ka goavana indrindra amin’izany ny antony nahatongavantsika eto ambonin’ny tany. Ny taona 2001 dia efa namoaka ny boky mitondra ny lohateny hoe “Omniscience, la connaissance scientifique divine” niisa 1.000 ity mpanoratra ity.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT