Actualités

Razafisoa Jeanne, 73 taona Fanindroany nanala bakalôrea, “ho afaka aho !”


  • Zoma 05 Aogositra 2016

Zokiolona indrindra tamin’ireo mpiadina bakalôrea manerana ny Nosy Rtoa Razafisoa Jeanne. 73 taona izy amin’izao, avy any Andapa no fiaviany fa noho ny asa dia saika nitety ny faritra SAVA manontolo izy mianakavy.

Tiany ny mianatra ary tohizany izany raha mbola velon’aina izy, araka ny filazany. Fanindroany amin’ity Rtoa Razafisoa Jeanne no niatrika fanadinana bakalôrea. « Série A2 » amin’ny sokajy ankapobeny izy, ary ao amin'ny foibem-panadinana CEG Sambava, efitrano faha- 9, no miadina. Nambarany fa ny maso amin’izao no somary mampanahirana kely azy ka tsy maintsy manao solomaso vao mahita tsara rehefa manoratra. Na izany aza dia “be ny tokiko fa ho afaka aho”, hoy izy fa “raha sanatria mandamoka dia mbola ho kandida foana aho” amin'ny taona ho avy. Manan-janaka miisa 10 mianadahy Razafisoa Jeanne, izay nosoritany mazava fa samy tafita tamin'ny fianarana avokoa ary samy mpiasam-panjakana. 30 mahery izao ny zafiny. “Mahereza mianatra ry zanako isany sy zafiko fa tsara ny mianatra”, hoy Razafisoa Jeanne.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT