Miverina amin’ny taniny ny Jiosy hoy ny fomba fitenenana raha hiresaka an’i Depiote Razafimily Constance isika. Depiote fahiny tao Tsimbazaza ary nitana ny toerana kestora tao tamin’ny andron-dry Praiminisitra Ravony sy solombavambahoaka ankehitriny izy ary voatendry ho CST tamin’ny tetezamita ka lasa kestora tao Anosikely dia izao tafaverina ao Tsimbazaza izao indray fa nofidian’ny vahoaka hisolotena azy indray. Tsy misy olana ny amin’izany, hoy izy, fa mijanona ho mpanao lalàna foana aho ary izy ity dia raharaha tena manavanana ahy ka mbola anisan’ireo hirotsaka hofidiana ho kestora eto Tsimbazaza indray aho amin’izao.
ManohyTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.