Zava-doza ity trangam-piarahamonina tao Antsirabe ity! Lehilahy iray no nahavita namono amin'ny fomba feno habibiana ny zanany naterany ary mbola nanary azy any anaty renirano avy eo.
Ny 07 janoary teo, antson'olona tsara sitrapo tamin'ny komandin'ny tobim-paritry ny zandarimaria Antsirabe nilaza fa nalain'olona an-keriny tao an-tranony i R. Tahiana, raim-pianakaviana sy i ZARA Tobie zanany. Fiara tsy mataho-dalana Hyundai Terracan 5xxx TxH no nitondra azy ireo tokony ho tamin'ny 6 ora hariva ary tsy tratra antso intsony. Natao haingana ny fikarohana. Tonga tany an-tranon'i R Tahiana ny mpitandro filaminana hanao fitsirihana. Novelarina ihany koa ny sakana amin'ny lalam-pirenena. Tamin'ny 11ora sy sasany alina no voasakan'ny zandary (BPR Antsirabe) teo Vinaninkarena ilay fiara kanefa i R. Tahiana irery no tao anaty fiara. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa nisy naka an-keriny teo amin'ny gara ny zanany io hariva io. Fiara 4X4 entin'olona tsy fantatra no naka azy. Ny fihetsiny sy ny valinteniny anefa dia efa nampiahiahy ny zandary avy hatrany. Tamin'ny fitsirihana natao dia hita feno ra ny lakozia sy ny garazin'ny trano fonenany ary koa ny fiarany. Noho ny fahaizan'ny zandary tarihin'ny GPHC Raniriarisoa Olivier, komandin'ny tobim-paritry ny zandarimaria Andranomadio dia fantatra fa tsy azo antoka ilay filazana fahaverezan'i TOBIE. Amin'ny maha tao Antsirabe renivohitra ny tranga dia niarahana amin'ny polisim-pirenena ny fanadihadiana. Natao famotorana indray i R Tahiana, teo vao niaiky fa izy ihany no namono ny zanany. Notsatohany antsy tao an-dakozia ny tendany, ary rehefa maty dia nentiny nariana any an-drenirano atsimon'i Manandona. Nentina haingana izy hanoro ny toerana nasiany ny razana ka indro tokoa hita teo ny vatana mangatsiakan'ity zanany fahatelo (4 ny zanany) sisa hita. Mbola eo am-panaovana famotorana ny polisy sy ny zandary ka tsy mbola afaka omena eto ny antony namonoany ity zanany fa raha ny fantatra dia ilay zaza faha-4 farany no saika hovonoiny saingy "mbola kely loatra", araka ny tatitry ny mpitandro filaminana. Hatolotra ny fampanoavana moa ny raharaha rehefa vita ny famotorana, hoy hatrany ny fanazavana.
Toky R sy Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.