Nohadihadian’ny zandary noho ny ampamoaka nataony mikasika kolikoly avo lenta tao anatin’ny Minisiteran’ny fahasalamana I Ravo Nambinina
Ramasomanana. Afaka nody tany amin’ny fianankaviany tsy nisy arakaraka izy taorian’ny fanadihadiana naharitra ora dimy azy, teny amin’ny Sampana misahana ny heloka an’habaka etsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Hiroso amin’ny fitondrana miandalana hiatrika ny fanadihadiana any amin’ny zandarimariam-pirenena izy ireo, raha ny nambaran’ny mpisolovava Maître Eric Rafidison. “Efa tamin’ny septambra 2020 no nanantona ny Transparency International, navoaka ihany. Tao anatin’izay rehetra izay no notsoahina ny dosie maha mpiasa. Niresaka tamin’ny mpiasa, niresaka tany amin’ny Minisiteran’ny vola sy ny tetibola, saingy tsy misy manana fahefana hamoaka an’io ve?”, hoy kosa i Ravo Nambinina.
NOTORIAN’NY ZANDARY
Tetsy ankilany, natao fanadihadiana hafa momba ny fitoriana nataon’ny zandary ihany koa izy. “Raha ny nambara taminay, rehefa nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fitoriana azy, dia nisy nanao teny mahery niantefa tamin’ny zandarimariam-pirenena, hoy ny mpisolovava. Vesatra nitorian’ny DLC (Direction de la Législation et du Contentieux) eo anivon’ny Primatiora ho nanaparitaka lainga mety hiteraka fanakorontanana moa no hanenjehana an’i Ravo Nambinina, saingy manamafy izy fa manana porofo. Niampy ny fitorian’ny zandary indray izany ny raharaha momba azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.