Raveloson Constant

> «Nipoitra ny nafenina»


  • Alakamisy 03 Oktobra 2013

Mitohy tsy tapaka ny hetsika etsy amin’ny Magro Behoririka na eo aza ny fampielezan-kevitra miaraka amin’ny kandidŕ Dr Robinson Jean Louis iarahan’ny ankolafy Ravalomanana sy ny Avana manatanteraka.

Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary, hoy Raveloson Constant omaly nentiny nilazana fa ny ao an-kianja ity dia efa zatra ny manome sy mizara ny vaovao tsara ho fantatra rehetra sy ny paikady hanohizana hatrany ny tolona iraisana. Ny hafa, mandeha mitety vohitra miaraka amin’ny kandidà no tena anjarany ary ny sasany koa indray dia ny manentana eran’ny tanàna amin’ny alalan’ny fanamafisam-peo isan-tsokajiny. Ny iraisana, hoy ity mpitari-tolona ity, dia zavatra 5 loha. Voalohany, ny fitsaboana ny firenena ka tafiditra ao anatin’izany ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Faharoa ny fanarenana ny fanabeazana. Fahatelo dia ny famerenana ny asa rava noho ny fanonganam-panjakana. Fahefatra : famerenana amin’ny laoniny ny fotodrafitrasa, toy ny lalana potika … tao anatin’izay 4 taona izay ary ny fahadimy dia ny resaka fandriampahalemana. Tsy misy azo ialana ireo, hoy Atoa Raveloson Constant fa antoky ny famerenan-kasina marina an’ity firenana ity. Nasiany tsindrim-peo manokana ny mikasika an’ireo fiarakodia 350 fanomezana avy amin’olon-tsotra avy any dilambato. Mibaribary izao, hoy ity mpitari-tolona ity, ny fanonganam-panjakana natao niaraka tamin’ny miaramila tamin’ny 2009. Nipoitra ny nafenina. Anaovanay ampamoaka ity resaka ity raha vao miditra amin’ny fivoriana ara-potoana manaraka eo izahay Parlemantera, hoy Atoa Raveloson Constant.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT